-
1 Tantara 14:10-12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia nanontany an’Andriamanitra i Davida hoe: “Hiakatra hiady amin’ny Filistinina ve aho? Hataonao resiko ve ireo?” Ary hoy i Jehovah taminy: “Miakara fa tena hataoko resinao ireo.”+ 11 Niakatra nankany Bala-perazima+ àry i Davida, ka tany izy no namely azy ireo. Ary hoy i Davida: “Andriamanitra efa nampiasa ny tanako, ka toy ny rano vaky nandravarava ny laharan’ny fahavaloko izy.” Izany no antony niantsoany an’io toerana io hoe Bala-perazima.* 12 Dia navelan’ny Filistinina teo ny sampiny, ary nasain’i Davida nodorana ireny.+
-