-
Eksodosy 25:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Eo aho no hiseho aminao. Dia hiteny aminao eo ambonin’ny saron’ilay Vata aho.+ Eo anelanelan’ireo kerobima roa, eo ambonin’ilay Vata Misy ny Tenin’ny Vavolombelona, no hampahafantariko anao ny didy rehetra hampitainao amin’ny Israelita.
-
-
1 Samoela 4:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Naniraka olona hankany Silo àry ny vahoaka, ka nentina avy any ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah Tompon’ny tafika, ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany, eo ambonin’ny* kerobima.+ Niaraka tamin’ilay Vata misy ny fifanekena nataon’ilay tena Andriamanitra koa izy mirahalahy zanak’i Ely, dia i Hofinia sy Finehasa.+
-
-
1 Tantara 13:6-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Dia niakatra nankany Balaha,+ na Kiriata-jearima any Joda, i Davida sy ny Israely rehetra mba haka ny Vata masin’i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana eo ambonin’ny* kerobima,+ dia eo amin’izay iantsoana ny anarany. 7 Nataon’izy ireo teo ambony sarety vaovao+ anefa ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra, rehefa avy nalain’izy ireo tao an-tranon’i Abinadaba. I Oza sy Ahio no nandroaka an’ilay sarety tamin’izay.+ 8 Dia nanao fety teo anatrehan’ilay tena Andriamanitra i Davida sy ny Israely rehetra, ka nanao an’izany tamin’ny fony manontolo. Sady nihira izy ireo no nampiasa harpa, zavamaneno fitendry, ampongatapaka,+ kipantsona,+ ary trompetra.+ 9 Rehefa tonga teo amin’ny famoloan’i Kidona anefa izy ireo, dia nanatsotra ny tanany i Oza ka notazoniny ilay Vata. Saika nazeran’ny omby mantsy ilay izy. 10 Dia tezitra be tamin’i Oza i Jehovah, ka novonoiny izy satria nanatsotra ny tanany mba hitazona an’ilay Vata.+ Dia maty teo anatrehan’Andriamanitra teo izy.+ 11 Sosotra* anefa i Davida noho i Jehovah tezitra be tamin’i Oza. Dia antsoina hoe Pereza-oza* io toerana io hatramin’izao.
-