-
1 Tantara 17:23-27Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Dia enga anie, Jehovah ô, ka hotanterahinao mandrakizay izay nampanantenainao momba ny mpanomponao sy ny taranany! Ary enga anie ianao ka hanao an’izay efa nampanantenainao!+ 24 Haharitra* sy hankalazaina+ mandrakizay anie ny anaranao, mba ho afaka hilaza ny olona hoe: ‘I Jehovah Tompon’ny tafika, Andriamanitry ny Israely, no Andriamanitra ho an’ny Israely.’ Haharitra eo anatrehanao koa anie ny taranak’i Davida mpanomponao!+ 25 Fa ianao, Andriamanitro ô, no nampahafantatra ny mpanomponao ny fikasanao hoe hanao trano* ho ahy. Izany no mahatonga ny mpanomponao tsy hisalasala hanao an’izao vavaka izao aminao. 26 Ianao, Jehovah ô, no tena Andriamanitra, ary nampanantena an’izany zavatra tsara izany ho an’ny mpanomponao ianao. 27 Dia enga anie hahafinaritra anao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao, ary enga anie haharitra mandrakizay eo anatrehanao izany taranany izany! Fa ianao, Jehovah ô, no efa nitahy azy ka tahina mandrakizay izy.”
-