FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 19:1-5
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Tatỳ aoriana, dia maty i Nahasy mpanjakan’ny Amonita, ka ny zanany lahy no nanjaka nandimby azy.+ 2 Dia hoy i Davida: “Ho tsara fanahy+ amin’i Hanona zanak’i Nahasy* aho, satria tsara fanahy* tamiko ny rainy.” Naniraka olona àry i Davida, mba hampionona azy noho ny nahafatesan-drainy. Rehefa tonga tany amin’ny tanin’ny Amonita+ anefa ny mpanompon’i Davida, mba hampionona an’i Hanona, 3 dia hoy ny andrianan’ny Amonita tamin’i Hanona: “Ianao ve dia mieritreritra hoe ny hanome voninahitra ny dadanao no nanirahan’i Davida ny mpanompony atỳ hampionona anao, fa tsy hoe handeha hamantatra sy hitsikilo an’ity tany ity, dia handresy anao?” 4 Nosamborin’i Hanona àry ny mpanompon’i Davida ka nesoriny ny volombavany,+ ary notapahiny hatreo amin’ny fitombenany ny akanjony, dia nalefany izy ireo. 5 Vao henon’i Davida izany, dia naniraka olona hitsena an’ireo lehilahy ireo izy. Afa-baraka tanteraka mantsy izy ireo. Ary hoy ny mpanjaka: “Mijanòna aloha any Jeriko,+ dia rehefa maniry indray ny volombavanareo vao modia.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara