-
2 Samoela 12:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Dia nody tany an-tranony i Natana.
Ary nataon’i Jehovah narary mafy ilay zaza nateraky ny vadin’i Oria tamin’i Davida.
-
-
2 Samoela 12:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Rehefa hitan’i Davida fa nifampibitsibitsika ny mpanompony, dia fantany fa maty ilay zaza. Ary hoy izy tamin’izy ireo: “Maty angaha ilay zaza?” Dia hoy izy ireo: “Ie, maty izy.”
-
-
2 Samoela 13:10-15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Ary hoy i Amnona tamin’i Tamara: “Ento atỳ amin’ny efitra fatoriana ilay sakafo,* mba hihinanako an’ilay izy avy eny an-tananao.” Dia nalain’i Tamara ireo mofo miendrika fo nataony, ka nentiny tao amin’i Amnona anadahiny, tao amin’ny efitra fatoriana. 11 Rehefa nitondra an’ireo mofo tany aminy anefa i Tamara, dia nosintoniny mafy be izy ka nilazany hoe: “Avia hanao firaisana amiko, ranabavy.” 12 Hoy anefa izy taminy: “Tsia, ranadahy! Aza manao izay hahafa-baraka ahy, fa tsy fanao eto amin’ny Israely izany.+ Aza manao an’izany zavatra mamoafady izany.+ 13 Ho afa-baraka amin’ny tany ama-monina aho, ka ahoana no hahazakako an’izany? Dia ianao koa hitovy amin’ireny lehilahy tsisy ilana azy eto amin’ny Israely ireny. Miresaha re amin’ny mpanjaka e! Fa hanaiky hanome ahy ho anao izy.” 14 Tsy nety nihaino azy anefa i Amnona, fa nampiasa hery taminy ka nanala baraka azy satria nanolana azy. 15 Avy eo dia lasa tsy tia maizina azy i Amnona, ka be lavitra noho ny fitiavany azy taloha ny fankahalany azy. Hoy i Amnona taminy: “Mitsangàna teo! ’Ndeha mandeha any!”
-