-
Genesisy 32:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 Dia nanohy ny diany i Jakoba, ary nisy anjelin’Andriamanitra nifanena taminy. 2 Raha vao nahita azy ireo i Jakoba, dia hoy izy: “Tobin’Andriamanitra ity!” Koa nataony hoe Mahanaima* ny anaran’ilay toerana.
-
-
Josoa 13:29, 30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Nomen’i Mosesy lova koa ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia ny antsasaky ny fokon’i Manase+ araka ny fianakaviany avy. 30 Ny faritry ny tanin’izy ireo dia nanomboka teo Mahanaima+ sy Basana manontolo, ny faritra rehetra nofehezin’i Oga mpanjakan’i Basana, ary ny tanàna tranolay rehetra izay an’i Jaira+ any Basana, dia tanàna 60.
-