-
2 Samoela 14:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Ary fantatr’i Joaba zanak’i Zeroia+ fa nalahelohelo an’i Absaloma ny fon’ny mpanjaka.+ 2 Koa naniraka olona haka vehivavy marani-tsaina tany Tekoa+ i Joaba, ka nilaza taminy hoe: “Mba mody ataovy hoe misaona ianao, ka manaova akanjo fisaonana, ary aza mihoso-menaka.+ Ataovy hoatran’ireny vehivavy nisaona efa ela ireny ianao. 3 Mankanesa ao amin’ny mpanjaka avy eo, ary izao lazaina aminy.” Dia nolazain’i Joaba taminy* izay teny tokony holazainy.
-