-
2 Samoela 9:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Ary hoy ny mpanjaka: “Mbola misy taranak’i Saoly ve any? Tiako haseho aminy hoe tia azy aho sady tsy mivadika aminy, hoatran’ny ataon’Andriamanitra.” Dia hoy i Ziba taminy: “Mbola misy zanakalahin’i Jonatana anankiray any, ary malemy ny tongony roa.”*+ 4 Nanontany azy àry ny mpanjaka hoe: “Aiza izy?” Dia hoy i Ziba: “Any an-tranon’i Makira+ zanak’i Amiela any Lo-debara izy.”
5 Dia naniraka olona avy hatrany i Davida Mpanjaka, mba haka azy tany an-tranon’i Makira zanak’i Amiela tany Lo-debara.
-