-
2 Samoela 17:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Ary hoy i Ahitofela tamin’i Absaloma: “Mba avelao aho hifidy lehilahy 12 000, dia handeha hanenjika an’i Davida izahay rahalina. 2 Hotafihiko izy rehefa reraka sy tsy misy hery intsony,*+ ka hampihorohoroiko. Dia hitsoaka ny olona rehetra miaraka aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako.+ 3 Dia hoentiko miverina atỳ aminao daholo ny olona. Miankina amin’izay manjo an’ilay lehilahy tadiavinao mantsy no hiverenan’izy rehetra. Dia hiadana ny olona rehetra.”
-