-
2 Samoela 9:7-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Hoy i Davida: “Aza matahotra, fa ho tia anao sy tsy hivadika+ aminao tokoa aho, noho ny amin’i Jonatana rainao. Dia haveriko aminao daholo ny tanin’i Saoly dadabenao, ary hisakafo* eo amin’ny latabatro foana ianao.”+
8 Dia niankohoka i Mefiboseta, sady niteny hoe: “Fa inona moa ny mpanomponao izay toy ny alika maty+ no mba voamarikao?”* 9 Ary nasain’ny mpanjaka nantsoina i Ziba mpanompon’i Saoly, ka nilazany hoe: “Omeko ho an’ilay zafikelin’ny tomponao izay rehetra an’i Saoly sy an’ny ankohonany manontolo.+ 10 Dia ianao sy ny zanakao lahy ary ny mpanomponao no hamboly eo amin’ny taniny. Hanangona ny vokatra ianao, mba ho sakafon’ny fianakavian’ny zafikelin’ny tomponao. Fa i Mefiboseta zafikelin’ny tomponao kosa hisakafo eo amin’ny latabatro foana.”+
Ary nanan-janakalahy 15 sy mpanompo 20 i Ziba.+
-