-
1 Tantara 21:16, 17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Rehefa nitraka i Davida, dia nahita an’ilay anjelin’i Jehovah nijoro teo anelanelan’ny tany sy ny lanitra, sady nitana sabatra+ nanondro an’i Jerosalema, dia sabatra voatsoaka tao anaty tranony. Tonga dia niankohoka tamin’ny tany+ i Davida sy ny anti-panahy, izay samy niakanjo gony.+ 17 Dia hoy i Davida tamin’ilay tena Andriamanitra: “Fa angaha tsy izaho no naniraka hoe isao ny vahoaka? Izaho no nanota ary izaho no nanao ratsy.+ Fa inona moa no nataon’ireo ondry ireo? Izaho sy ny ankohonan-draiko re asiana, Jehovah Andriamanitro ô! Fa aza mandefa loza amin’ireto vahoakanao ireto.”+
-