-
2 Tantara 1:3-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Dia nankany amin’ilay toerana avo tany Gibeona i Solomona sy ny fiangonana manontolo,+ satria tany ilay tranolay fihaonana. An’ilay tena Andriamanitra io tranolay io, ary naorin’i Mosesy mpanompon’i Jehovah tany an-tany efitra. 4 Efa nentin’i Davida niakatra avy tany Kiriata-jearima+ ho any amin’ilay toerana nomaniny ho azy anefa ny Vata masin’ilay tena Andriamanitra. Efa nanangana tranolay ho an’io Vata io mantsy izy tao Jerosalema.+ 5 Ary napetraka teo anoloan’ny tranolain’i Jehovah ny alitara varahina+ nataon’i Bezalila,+ zanak’i Ory, zanak’i Hora. Fanaon’i Solomona sy ny fiangonana ny nivavaka teo alohan’izy io.* 6 Teo i Solomona no nanao fanatitra teo anatrehan’i Jehovah. Nisy 1 000 ny fanatitra dorana natolony teo ambonin’ilay alitara varahina,+ tao amin’ilay tranolay fihaonana.
-