-
Deoteronomia 17:18, 19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 Rehefa mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny fanjakany izy, dia tsy maintsy adikany ao anaty boky* ity Lalàna ity, mba hampiasainy, ka ataony mitovy amin’ilay Lalàna tehirizin’ny Levita mpisorona ilay izy.+
19 “Hotehiriziny any aminy foana izy io, ary hovakiny amin’ny andro rehetra iainany,+ mba hianarany hatahotra an’i Jehovah Andriamaniny, sy hianarany hankatò an’izay rehetra voalazan’io Lalàna io sy ireto fitsipika ireto.+
-
-
1 Mpanjaka 8:25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Ry Jehovah Andriamanitry ny Israely ô, tanteraho àry ilay fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko mpanomponao hoe: ‘Hisy lehilahy avy amin’ny taranakao foana hipetraka eo anatrehako eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely, raha mitandrina tsara an’izay ataony ny taranakao, ka manaraka an’izay atoroko, tahaka ny nanarahanao an’izay natoroko anao.’+
-