-
2 Tantara 2:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Fa iza anefa moa no hahavita hanorina trano ho azy? Ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza tsy omby azy,+ koa inona moa izay izaho no hanorina trano ho azy? Trano handoroana fanatitra mba hidona-tsetroka eo anatrehany ihany no mba azoko atao ho azy.
-
-
2 Tantara 6:18-21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
18 “Andriamanitra anefa ve dia tena hiara-monina amin’ny olona etỳ an-tany?+ Ny lanitra, eny, ny lanitry ny lanitra aza tsy omby anao,+ koa mainka fa ity trano naoriko ity!+ 19 Mba henoy re ny vavak’ity mpanomponao sy ny fitalahoany famindram-po, ry Jehovah Andriamanitro ô! Henoy ny antso vonjy sy ny vavaka ataon’ny mpanomponao eto anatrehanao. 20 Enga anie ianao hijery an’ity trano ity andro aman’alina, ilay toerana nolazainao fa hametrahanao ny anaranao,+ ka hohenoinao ny vavaka ataon’ny mpanomponao manandrify an’ity toerana ity! 21 Henoy ny antso vonjy ataon’ny mpanomponao sy ny fitalahoan’ny Israely vahoakanao, rehefa mivavaka manandrify an’ity toerana ity.+ Ary enga anie ianao hihaino any an-danitra fonenanao any!+ Enga anie ianao hihaino ka hamela heloka!+
-
-
Nehemia 9:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Ianao irery ihany no Jehovah.+ Ianao no nanao ny lanitra, dia ny lanitry ny lanitra sy ny tafiny rehetra. Ianao koa no nanao ny tany sy izay rehetra eo amboniny, ary ny ranomasina sy izay rehetra ao anatiny. Ianao no mahatonga an’ireny rehetra ireny ho velona. Miankohoka eo anatrehanao koa ny tafiky ny lanitra.
-