4 Dia nanao sorona teo anatrehan’i Jehovah ny mpanjaka sy ny vahoaka manontolo.+ 5 Nanolotra omby 22 000 sy ondry 120 000 i Solomona Mpanjaka mba hatao sorona. Izany no nataon’ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra, tamin’izy ireo nitokana ny tranon’ilay tena Andriamanitra.+