20 Raha vao henon’ny Israely rehetra fa tafaverina i Jeroboama, dia nantsoin’izy ireo hankeo amin’ny vahoaka izy, ka nataony mpanjaka teo amin’ny Israely rehetra.+ Tsy nisy vahoaka nanaraka ny taranak’i Davida, afa-tsy ny fokon’i Joda.+
11Vao tonga tany Jerosalema i Rehoboama, dia namory ny taranak’i Joda sy Benjamina,+ izany hoe miaramila 180 000 efa zatra ady.* Novoriny izy ireo mba hiady tamin’ny Israely, amin’izay ho azon’i Rehoboama indray ny fanjakana.+