-
1 Mpanjaka 11:31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Ary hoy izy tamin’i Jeroboama:
“Makà folo ho anao, fa izao no nolazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: ‘Hendahako tsy ho eo an-tanan’i Solomona ny fanjakana, ka homeko foko folo ianao.+
-
-
1 Mpanjaka 14:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Noho izany, dia hahatonga loza amin’ny ankohonan’i Jeroboama aho. Hofongorako* ny lehilahy rehetra* amin’ny ankohonany, anisan’izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin’ny Israely. Ary hofafako tanteraka hoatran’ny famafa taim-biby ny ankohonan’i Jeroboama,+ mandra-paha-tsy hisy tavela azy ireo intsony!
-
-
2 Tantara 13:20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Tsy natanjaka hoatran’ny taloha intsony àry i Jeroboama tamin’ny andron’i Abia. Ary nasian’i Jehovah izy tatỳ aoriana dia maty.+
-