-
1 Mpanjaka 16:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary niteny tamin’i Jeho+ zanak’i Hanany+ i Jehovah, ka nanameloka an’i Basa hoe: 2 “Nasandratro avy tamin’ny vovoka ianao ary nataoko mpitarika ny Israely vahoakako.+ Mbola nanao hoatran’ny nataon’i Jeroboama ihany anefa ianao ary nahatonga ny Israely vahoakako hanota, ka nampahatezitra ahy izy ireo noho ny fahotany.+ 3 Koa hofongorako tanteraka i Basa sy ny ankohonany, ka hataoko hoatran’ny ankohonan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata ny ankohonany.
-