-
Deoteronomia 28:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+
-
-
Jeremia 14:22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Misy mahavita mandatsaka orana ve ireo sampy tsy misy dikany tompoin’ireo firenena,
Na mahavita mandrotsaka oram-be ve raha ny lanitra fotsiny?
Tsy Ianao irery ihany ve no mahavita an’izany, ry Jehovah Andriamanitray ô?+
Koa ianao no antenainay,
Satria ianao ihany no manao an’izany rehetra izany.
-
-
Jakoba 5:17Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Olona nanana fihetseham-po hoatran’ny antsika ihany i Elia. Nivavaka mafy anefa izy mba tsy hilatsaka ny orana, dia tsy nisy orana teo amin’ilay tany, nandritra ny telo taona sy tapany.+
-