-
Isaia 44:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Tsy mba misy mieritreritra mihitsy izy ireo ao am-pony,
Ary tsy misy mahalala na mba misaina, ka miteny hoe:
“Ny antsasany nodorako,
Dia nanao mofo sy nitono hena teo ambonin’ny vainafo aho mba hohaniko.
Dia izaho ve dia hanao zava-maharikoriko amin’ny ambin’ilay hazo?+
Izaho ve dia hivavaka amin’izay vatan-kazo?”*
20 Lavenona no ataony sakafo.
Voafitaka ny fony ka lasa manao ratsy izy.
Tsy afaka mamonjy ny ainy izy, sady tsy miteny hoe:
“Tsy fitaka fotsiny ve ity eto amin’ny tanako ankavanana ity?”
-