FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 9:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia nanao tetika hamelezana an’i Jorama i Jeho+ zanak’i Josafata zanak’i Nimsy.

      Tany Ramota-gileada+ i Jorama sy ny tafiky ny Israely rehetra tamin’izay, mba hiaro ny Israely tamin’i Hazaela+ mpanjakan’i Syria.

  • 2 Mpanjaka 9:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Noraisin’i Jeho ny tsipìkany, dia notifiriny i Jorama ka voany teo anelanelan’ny sorony. Dia nigorobaka avy teo amin’ny fony ilay zana-tsipìka, ka nianjera tao amin’ny kalesiny izy.

  • 2 Mpanjaka 10:6, 7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia nanoratra taratasy ho azy ireo indray i Jeho, nanao hoe: “Raha manohana ahy ianareo ary vonona ny hankatò ahy, dia ento atỳ ny lohan’ireo zanakalahin’ny tomponareo, ary tongava atỳ amiko atỳ Jezirela, rahampitso hoatr’izao.”

      Niaraka tamin’ireo olo-manan-kaja teo an-tanàna izay nitaiza azy, izy 70 lahy zanaky ny mpanjaka, tamin’izay. 7 Raha vao voarain’ireo olo-manan-kaja ilay taratasy, dia nalain’izy ireo izy 70 lahy+ zanaky ny mpanjaka, ka novonoiny. Dia nataony tao anaty sobika ny lohan’izy ireo, ary nalefany tany amin’i Jeho tany Jezirela.

  • 2 Mpanjaka 10:23
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Dia nankao an-tranon’i Bala i Jeho sy Jonadaba+ zanak’i Rekaba. Ary hoy i Jeho tamin’ireo mpivavaka tamin’i Bala: “Jereo tsara dia hamarino sao misy mpivavaka amin’i Jehovah ato, fa mpivavaka amin’i Bala ihany no tokony ho ato.”

  • 2 Mpanjaka 10:25
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 25 Raha vao vita ny fanolorana fanatitra dorana, dia niteny tamin’ireo mpiambina* sy manamboninahitra lefitra i Jeho hoe: “Midira, ka vonoy ireo! Aza avela hisy ho tafatsoaka na iray aza.”+ Dia namono azy ireo tamin’ny sabatra ny mpiambina sy ny manamboninahitra lefitra, ka nanipy ny fatiny tany ivelany. Ary nitsofoka hatrany anatiny indrindra* tamin’ny tranon’i Bala izy ireo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara