-
1 Mpanjaka 1:51, 52Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
51 Dia nisy nilaza tamin’i Solomona hoe: “Matahotra an’i Solomona Mpanjaka i Adonia. Mamikitra amin’ny tandroky ny alitara ao izy sady miteny hoe: ‘Aleo aloha i Solomona Mpanjaka hianiana amiko hoe tsy hamono ny mpanompony amin’ny sabatra.’” 52 Dia hoy i Solomona: “Raha mendri-pitokisana izy, dia tsy hisy ho latsaka amin’ny tany na dia ny singam-bolony iray aza. Fa raha hita kosa hoe nanao ratsy izy,+ dia tsy maintsy ho faty.”
-