FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Tantara 18:12-16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 Niteny tamin’i Mikaia àry ilay olona nirahina hiantso azy, hoe: “Samy nilaza zavatra tsara tamin’ny mpanjaka daholo ny mpaminany. Koa mba zavatra tsara hoatran’ny nolazain-dry zareo+ koa resahina, azafady.”+ 13 Hoy anefa i Mikaia: “Raha mbola velona koa i Jehovah Andriamanitro, dia izay lazainy ihany no holazaiko.”+ 14 Dia nankao amin’ny mpanjaka izy. Ary nanontany azy ny mpanjaka hoe: “Handeha hiady amin’i Ramota-gileada ve izahay, ry Mikaia, sa tsy handeha?” Tonga dia namaly i Mikaia hoe: “Mandehana fa handresy ianao. Ho resinao ireo, ry mpanjaka!” 15 Dia hoy ny mpanjaka: “Impiry izay ianao no efa nasaiko nianiana hoe izay marina ihany lazaina rehefa miresaka amiko amin’ny anaran’i Jehovah?” 16 Hoy àry i Mikaia: “Ireny fa hitako miparitaka eny an-tendrombohitra ny Israelita rehetra, hoatran’ny ondry tsy misy mpiandry.+ Dia hoy i Jehovah: ‘Tsy manan-tompo ireo, ka aleo ry zareo samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.’”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara