-
Deoteronomia 23:17, 18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 “Tsy misy mahazo manao mpivaro-tenan’ny tempoly,+ na ny zanakavavin’ny Israely na ny zanakalahin’ny Israely.+ 18 Aza entina ao an-tranon’i Jehovah Andriamanitrao mba hanefana voady ny karaman’ny vehivavy mpivaro-tena na ny karaman’ny lehilahy mpivaro-tena,* satria samy maharikoriko an’i Jehovah Andriamanitrao izany.
-
-
1 Mpanjaka 14:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Nisy lehilahy mpivaro-tenan’ny tempoly koa tao amin’ilay tany.+ Dia nataon’ny vahoaka daholo ny zava-maharikoriko fanaon’ireo firenena noroahin’i Jehovah hiala teo anatrehan’ny Israelita.
-