-
2 Tantara 20:35-37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
35 Taorian’izay, dia nanao fifanarahana tamin’i Ahazia mpanjaka ratsy fanahy teo amin’ny Israely i Josafata mpanjakan’ny Joda.+ 36 Dia lasa mpiara-miasa izy ireo ka nanao sambo halefa ho any Tarsisy.+ Tao Eziona-gebera izy ireo no nanao an’ireo sambo.+ 37 Naminany loza ho an’i Josafata anefa i Eliezera zanak’i Dodavaho avy any Maresa, hoe: “Satria ianao nanao fifanarahana tamin’i Ahazia, dia horavan’i Jehovah ny zava-bitanao.”+ Dia rendrika ireo sambo,+ ka tsy afaka nankany Tarsisy.
-