-
1 Samoela 9:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Hoy anefa ilay mpanompo: “Misy lehilahin’Andriamanitra ao amin’irỳ tanàna irỳ. Hajain’ny olona izy, sady tena tanteraka daholo izay lazainy.+ Andao ho eny, fa angamba izy afaka manoro antsika an’izay lalana tokony halehantsika.” 7 Dia hoy i Saoly taminy: “Inona anefa no hoentintsika ho an’ilay lehilahy, raha mankeny isika? Efa lany ny mofo tato anaty harontsika, dia tsy misy na inona na inona azontsika omena an’ilay lehilahin’Andriamanitra. Sa inona no ananantsika?”
-