-
1 Mpanjaka 18:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
13 Tsy nisy nilaza tamin’ny tompoko an’izay nataoko angaha rehefa novonoin’i Jezebela ny mpaminanin’i Jehovah? Nanafina mpaminanin’i Jehovah 100 aho, ka 50 avy no nataoko tao anaty lava-bato, ary nitondrako mofo sy rano ry zareo.+
-
-
1 Mpanjaka 21:9, 10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Izao no nosoratany tao: “Manaova fanambarana hoe hisy fifadian-kanina, ary asaivo mipetraka eo alohan’ny vahoaka i Nabota. 10 Dia asio lehilahy roa tsy misy ilana azy mipetraka eo anoloany, ary asaivo miampanga+ azy izy ireo hoe: ‘Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao!’+ Dia ento any ivelan’ny tanàna izy, ka torahy vato ho faty.”+
-