-
2 Tantara 23:1-3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Tamin’ny taona fahafito, dia nisikina herim-po i Joiada ka nanao fifanekena tamin’ireo lehiben’ny zato,+ izany hoe tamin’i Azaria zanak’i Jerohama, sy Ismaela zanak’i Johanana, sy Azaria zanak’i Obeda, sy Mahaseia zanak’i Adaia, ary Elisafata zanak’i Zikry. 2 Dia lasa nitety an’i Joda izy ireo. Koa novoriny ny Levita+ avy any amin’ny tanàna rehetra tany Joda sy ny lohan’ny fianakaviambe teo amin’ny Israely. Rehefa tonga tao Jerosalema izy ireo, 3 dia nanao fifanekena+ tamin’ny mpanjaka tao an-tranon’ilay tena Andriamanitra ny fiangonana manontolo. Ary hoy i Joiada:
“Hanjaka ny zanaky ny mpanjaka, araka ny efa nampanantenain’i Jehovah momba ny taranak’i Davida.+
-