-
Eksodosy 15:23-25Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 Tonga tany Mara*+ izy ireo, saingy tsy afaka nisotro ny rano tao satria nangidy ilay izy. Izany no nahatonga an’i Mosesy hiantso an’ilay toerana hoe Mara. 24 Koa nanomboka nimenomenona tamin’i Mosesy+ ny vahoaka, ka niteny hoe: “Dia inona no hosotroinay?” 25 Ary nitaraina tamin’i Jehovah+ i Mosesy, ka natoron’i Jehovah azy ny hazo iray naniry teo. Dia natsipin’i Mosesy tao anatin’ilay rano ilay izy, ka lasa mamy ilay rano.
Teo Andriamanitra no nametraka fitsipika sy didim-pitsarana ho azy ireo. Teo koa Izy no nitsapa toetra azy ireo.+
-