-
Isaia 36:21, 22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Nangina anefa izy ireo, ka tsy namaly azy na indraim-bava aza, satria efa nahazo baiko tamin’ny mpanjaka hoe: “Aza mamaly azy.”+ 22 Nankao amin’i Hezekia kosa i Eliakima zanak’i Hilkia, izay niandraikitra ny ankohonan’ny mpanjaka,* sy Sebna+ mpitan-tsoratra, ary Joa zanak’i Asafa, mpanoratra ny raharaham-panjakana. Samy efa nandrovitra ny akanjony izy ireo tamin’izay. Dia notantarainy tamin’i Hezekia ny tenin’ilay Rabsake.
-