-
Levitikosy 25:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Fa hisy sabata fialan-tsasatra tanteraka ho an’ilay tany kosa amin’ny taona fahafito, ho sabata ho an’i Jehovah. Aza amafazana voa ny sahanao, ary aza rantsanana ny voalobokao. 5 Aza jinjaina izay naniry ho azy avy tamin’ny voa tavela taorian’ny fijinjana farany, ary aza otazana ny voan’ny voaloboka tsy norantsanana. Fa tokony hisy taona iray hamelana ny tany hiala sasatra tanteraka. 6 Azonareo hanina anefa izay maniry ao amin’ilay tany mandritra ny fotoana hitandremany an’ilay sabata. Mahazo mihinana an’izany ianao, ny mpanompolahinao sy ny mpanompovavinao, ny olona karamainao, ny mpiavy monina eo aminao,
-