-
2 Mpanjaka 21:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Ary nandatsaka ran’olona tsy manan-tsiny be dia be i Manase ka nofenoiny ra i Jerosalema.+ Efa nahatonga ny Joda hanota koa izy, ka nanjary nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah izy ireo.
-
-
2 Mpanjaka 23:26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Tsy nitony mihitsy anefa ny fahatezeran’i Jehovah, fa mbola tezitra be tamin’ny Joda foana izy noho ny zava-drehetra manafintohina nataon’i Manase mba hampahatezitra azy.+
-
-
2 Tantara 33:11-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Koa nasain’i Jehovah notafihin’ny lehiben’ny tafiky ny mpanjakan’i Asyria izy ireo. Dia nosamborin’ireny sy nasiany faraingo* i Manase. Nasiany gadra varahina roa koa ny tongony, dia nentiny tany Babylona izy. 12 Rehefa nijaly anefa izy, dia nitalaho tamin’i Jehovah Andriamaniny mba hamindra fo aminy.* Nanetry tena be teo anatrehan’ilay Andriamanitry ny razambeny koa izy. 13 Ary nivavaka tamin’Andriamanitra foana izy. Dia lasa nangoraka azy Andriamanitra noho izy niangavy azy foana, ka nihaino ny fitalahoany famindram-po. Koa naveriny ho mpanjaka tany Jerosalema indray izy.+ Lasa fantatr’i Manase àry fa i Jehovah no tena Andriamanitra.+
-