-
Deoteronomia 4:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Ary rehefa mitraka mijery ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, izany hoe izay rehetra eny amin’ny lanitra, dia tandremo sao miankohoka eo anatrehan’ireny sy manompo azy+ satria hoe manintona anao ireny. Nomen’i Jehovah Andriamanitrao ho an’ny firenena rehetra eny ambanin’ny lanitra manontolo mantsy ireny.
-
-
Ezekiela 8:16Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Dia nentiny tao amin’ny tokotany anatiny misy ny tranon’i Jehovah aho.+ Nisy lehilahy 25 teo ho eo tao, teo amin’ny fidirana mankao amin’ny tempolin’i Jehovah, teo anelanelan’ny tilikambo fidirana sy ny alitara. Niamboho ny tempolin’i Jehovah izy ireo, ka nitodika niantsinanana. Nivavaka tamin’ny masoandro izy ireo ka niankohoka niantsinanana.+
-