-
1 Mpanjaka 8:63, 64Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
63 Nanolotra omby 22 000 sy ondry 120 000 i Solomona mba hatao sorona iombonana+ ho an’i Jehovah. Toy izany no nataon’ny mpanjaka sy ny Israelita rehetra rehefa notokanana ny tranon’i Jehovah.+ 64 Tamin’izay andro izay, dia voatery nohamasinin’ny mpanjaka ny teo afovoan’ny tokotany, teo anoloan’ny tranon’i Jehovah. Teo no tsy maintsy nanolorany ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin’ny sorona iombonana. Kely loatra mantsy ilay alitara varahina,+ izay teo anatrehan’i Jehovah, ka tsy antonona teo ny sorona dorana sy ny fanatitra varimbazaha ary ny tavin’ireo+ sorona iombonana.
-