-
Josoa 21:20-26Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Ary nomena tanàna avy tamin’ny fokon’i Efraima, tamin’ny antsapaka, ny sisa tamin’ny fianakavian’ny Kehatita anisan’ny Levita. 21 Nomena azy ireo ilay tanàna fialokalofan’izay nahafaty olona,+ dia i Sekema+ sy ny kijanany eny amin’ny faritra be tendrombohitr’i Efraima. Nomena azy koa i Gazera+ sy ny kijanany, 22 Kibzaima sy ny kijanany, ary Beti-horona+ sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra.
23 Ny avy tamin’ny fokon’i Dana dia i Elteke sy ny kijanany, Gibetona sy ny kijanany, 24 Aialona+ sy ny kijanany, ary Gata-rimona sy ny kijanany, izany hoe tanàna efatra.
25 Ary ny avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase dia i Tanàka+ sy ny kijanany, ary Gata-rimona sy ny kijanany, izany hoe tanàna roa.
26 Folo ny tanàna rehetra sy ny kijanany azon’ny sisa tamin’ny fianakavian’ny Kehatita.
-