-
Levitikosy 23:12, 13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Amin’ny andro hanetsiketsehana an’ilay amboara no hanoloranareo ondrilahy kely tsy misy kilema sady tsy mihoatra ny herintaona, ho fanatitra dorana ho an’i Jehovah. 13 Ny fanatitra varimbazaha hampiarahina amin’izany, dia lafarinina tsara toto roa ampahafolon’ny efaha,* nafangaro menaka, ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, mba ho hanitra mahafinaritra* azy. Ampiaraho aminy koa ny divay ampahefatry ny hina* mba ho fanatitra zava-pisotro.
-