-
Mpitsara 20:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Nahangona lehilahy 26 000 avy any an-tanànany ny Benjaminita tamin’izay andro izay, ary samy mpitan-tsabatra izy ireo. Ankoatra an’ireo, dia nisy miaramila 700 tena nahay niady koa tao Gibea.
-
-
1 Tantara 12:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Ireto avy ny lehilahy tonga tany amin’i Davida tany Ziklaga,+ tamin’izy mbola tsy afaka nivezivezy noho ny amin’i Saoly+ zanak’i Kisy. Anisan’ny miaramila matanjaka izy ireo, ary nanampy azy tamin’ny ady.+ 2 Nitondra tsipìka izy ireo. Sady nahay nampiasa ny tanany ankavanana izy ireo no nahay nampiasa ny ankavia+ rehefa nitoraka vato tamin’ny pilotra+ na nandefa zana-tsipìka. Rahalahin’i Saoly izy ireo, izany hoe avy amin’ny fokon’i Benjamina.+
-