25Ary natokan’i Davida sy ny lehiben’ny antoko-mpanompo ny sasany tamin’ny taranak’i Asafa sy Hemana ary Jedotona,+ mba hanao fanompoana ka sady haminany izy ireo no hampiasa harpa sy zavamaneno fitendry+ ary kipantsona.+ Ireto avy ireo lehilahy voatendry hanao fanompoana ireo:
3 Ny avy amin’i Jedotona+ dia i Gedalia, Zery, Jesaia, Simey, Hasabia, ary Matitia.+ Zanak’i Jedotona izy enina ireo. I Jedotona rainy no niandraikitra azy ireo. Sady naminany i Jedotona no nampiasa harpa rehefa nisaotra sy nidera an’i Jehovah.+