-
Genesisy 30:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia nomeny ho vadin’i Jakoba i Bilaha mpanompovaviny, ka nanao firaisana taminy i Jakoba.+ 5 Ary bevohoka i Bilaha ka nitera-dahy taminy. 6 Dia hoy i Rahely: “Andriamanitra no mpitsara ahy, dia nihaino ny fangatahako izy ka nanome ahy zazalahy.” Izany no nahatonga azy hiantso an’ilay zaza hoe Dana.*+
-
-
Genesisy 49:16-18Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 “Hitsara ny fireneny i Dana,+ izay anisan’ny fokon’ny Israely.+ 17 Enga anie i Dana ho lasa bibilava eny amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka eny an-tsisin-dalana! Hokaikeriny ny tongotry* ny soavaly mba hianjera any aoriana ny mpitaingina azy.+ 18 Hiandry ny famonjena avy aminao aho, Jehovah ô!
-