8 Dia nanao fety teo anatrehan’ilay tena Andriamanitra i Davida sy ny Israely rehetra, ka nanao an’izany tamin’ny fony manontolo. Sady nihira izy ireo no nampiasa harpa, zavamaneno fitendry, ampongatapaka,+ kipantsona,+ ary trompetra.+
5 I Asafa+ no mpitarika ny mpihira, ary nanarakaraka azy i Zakaria. I Jeiela, Semiramota, Jehiela, Matitia, Eliaba, Benaia, Obeda-edoma, ary Jeiela+ no nitendry zavamaneno sy harpa.+ I Asafa kosa no nampaneno kipantsona.+