-
2 Mpanjaka 23:30, 31Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
30 Dia nentin’ny mpanompony tamin’ny kalesy niala tao Megido nankany Jerosalema ny fatiny, ka nalevin’izy ireo tao amin’ny fasany. Ary nalain’ny vahoaka i Joahaza zanak’i Josia, ka nohosorany ho mpanjaka handimby an-drainy.+
31 Lasa mpanjaka i Joahaza+ tamin’izy 23 taona, ary nanjaka telo volana tany Jerosalema izy. Hamotala+ no anaran-dreniny, ary zanak’i Jeremia avy any Libna izy io.
-