-
2 Mpanjaka 24:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Nandritra izany fotoana izany, dia niakatra hamely an’i Jerosalema ny mpanompon’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona. Ary nataon’izy ireo fahirano ilay tanàna.+
-
-
Jeremia 29:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
29 Nandefa taratasy avy teto Jerosalema i Jeremia mpaminany, ho an’ny sisa amin’ireo anti-panahy natao sesitany, sy ho an’ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, izay nentin’i Nebokadnezara niala teto Jerosalema sy nataony sesitany any Babylona. 2 Efa tsy teto Jerosalema intsony tamin’izay i Jekonia+ Mpanjaka, ny renin’ny mpanjaka,*+ ny tandapa, ny andrianan’i Joda sy Jerosalema, ny mpanao asa tanana, ary ny mpanefy.*+
-
-
Ezekiela 1:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Tamin’ny andro fahadimin’ny volana, izany hoe tamin’ny taona fahadimy nanaovana sesitany an’i Joiakina Mpanjaka,+
-