-
Jeremia 21:1, 2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Nahazo hafatra avy tamin’i Jehovah i Jeremia, rehefa nirahin’i Zedekia+ Mpanjaka ho any aminy i Pasora+ zanak’i Malkia sy Zefania+ mpisorona zanak’i Mahaseia, mba hilaza hoe: 2 “Mba anontanio i Jehovah hoe inona no hitranga amintsika, fa miady amintsika i Nebokadnezara* mpanjakan’i Babylona.+ Angamba hanao zavatra iray mahatalanjona ho antsika indray i Jehovah hoatran’ny efa nataony, mba hialan’i Nebokadnezara eto amintsika.”+
-
-
Jeremia 38:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Naniraka olona haka an’i Jeremia mpaminany i Zedekia Mpanjaka mba ho any aminy, eo amin’ny fidirana fahatelo, izay ao an-tranon’i Jehovah. Dia hoy ny mpanjaka tamin’i Jeremia: “Misy zavatra tiako hanontaniana anao, ka aza misy afenina amiko.”
-
-
Jeremia 38:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Hoy àry i Zedekia tamin’i Jeremia: “Aza atao misy mahafantatra izany zavatra izany mba tsy ho faty ianao.
-