-
2 Tantara 8:5, 6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Naoriny koa i Beti-horona Ambony+ sy Beti-horona Ambany.+ Tanàna voaro mafy misy manda sy vavahady ary bara hidiny ireo. 6 Naoriny koa i Baleta+ sy ny tanàna rehetra fitehirizan’i Solomona entana sy vokatra, ny tanàna rehetra fanatobiana kalesy,+ ny tanànan’ny mpitaingin-tsoavaly, ary izay rehetra nirin’i Solomona haorina tao Jerosalema sy tany Libàna ary nanerana ny tany nanjakany.
-