-
1 Mpanjaka 9:26-28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
26 Nanao sambo maromaro koa i Solomona Mpanjaka tao Eziona-gebera,+ izay teo akaikin’i Elota, teo amoron’ny Ranomasina Mena, tany Edoma.+ 27 Nalefan’i Hirama tamin’ireo sambo ireo ny mpanompony,+ izay tantsambo za-draharaha, mba hiaraka tamin’ny mpanompon’i Solomona. 28 Nankany Ofira+ izy ireo, ka naka volamena nilanja 420 talenta, ary nitondra an’izany tany amin’i Solomona Mpanjaka.
-