-
2 Mpanjaka 14:1-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Joasy+ zanak’i Joahaza mpanjakan’ny Israely, no lasa mpanjaka i Amazia zanak’i Joasy mpanjakan’ny Joda. 2 Tamin’izy 25 taona no nanomboka nanjaka, ary nanjaka 29 taona tany Jerosalema izy. Joadina no anaran-dreniny, ary avy any Jerosalema izy io.+ 3 Nanao izay tsara teo imason’i Jehovah foana i Amazia, saingy tsy toy ny nataon’i Davida+ razambeny. Hoatran’izay rehetra nataon’i Joasy rainy no nataony.+ 4 Tsy nesorina anefa ny toerana avo,+ ary mbola nanao sorona sy nandoro fanatitra mba hidona-tsetroka teny ihany ny vahoaka.+ 5 Raha vao mafy orina ny fanjakany, dia novonoiny ho faty ireo mpanompony namono ny mpanjaka rainy.+ 6 Tsy novonoiny anefa ny zanak’ireo mpamono olona ireo, fa narahiny izay voasoratra ao amin’ny boky misy ny Lalàn’i Mosesy. Izao mantsy ny didin’i Jehovah voalaza ao: “Ny ray tsy tokony hovonoina ho faty noho ny ataon’ny zanaka, ary ny zanaka tsy tokony hovonoina ho faty noho ny ataon’ny ray. Fa ny fahotana vitan’ny tsirairay ihany no tokony hamonoana azy.”+
-