-
2 Mpanjaka 14:11-14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Tsy nanaiky anefa i Amazia.+
Niakatra àry i Joasy mpanjakan’ny Israely, ka niady tany Beti-semesy+ any Joda izy sy Amazia mpanjakan’ny Joda.+ 12 Dia resin’ny Israely ny Joda, ka samy nandositra nankany an-tranony* avy. 13 Nosamborin’i Joasy mpanjakan’ny Israely tany Beti-semesy i Amazia mpanjakan’ny Joda, zanak’i Joasy zanak’i Ahazia. Nankany Jerosalema izy ireo avy eo, ary nandrava 400 hakiho* tamin’ny mandan’i Jerosalema, nanomboka teo amin’ny Vavahadin’i Efraima+ ka hatreo amin’ny Vavahady An-jorony.+ 14 Dia nalainy daholo ny volamena sy ny volafotsy ary ny fitaovana rehetra tao an-tranon’i Jehovah sy tao amin’ny fitehirizana zava-tsarobidy tao an-tranon’ny* mpanjaka. Naka olona hatao takalon’aina koa izy, ary avy eo niverina tany Samaria.
-