-
2 Mpanjaka 14:17-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
17 Mbola velona 15 taona i Amazia+ zanak’i Joasy+ mpanjakan’ny Joda, taorian’ny nahafatesan’i Joasy zanak’i Joahaza mpanjakan’ny Israely.+ 18 Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Joda ve ny sisa amin’ny tantaran’i Amazia? 19 Nisy niray tetika hanohitra azy+ tany Jerosalema tatỳ aoriana, ka nandositra tany Lakisy izy. Naniraka olona hanenjika azy tany anefa izy ireo ka namono azy tany. 20 Nentina niverina tamin’ny soavaly àry ny fatiny ka nalevina tany amin’izay nisy ny razambeny tany Jerosalema, tao amin’ny Tanànan’i Davida.+
-