18 Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Hosea+ zanak’i Elaha mpanjakan’ny Israely, no lasa mpanjaka i Hezekia+ zanak’i Ahaza+ mpanjakan’ny Joda. 2 Tamin’izy 25 taona no lasa mpanjaka, ary nanjaka 29 taona tao Jerosalema izy. Abia no anaran-dreniny, ary zanak’i Zakaria+ izy io.