-
Nomery 9:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 “Teneno ny Israelita hoe: ‘Raha misy aminareo na amin’ny taranakareo any aoriana any lasa maloto satria nikasika faty,+ na tsy maintsy nandeha lavitra, dia hikarakara an’ilay biby hatao sorona hankalazana ny Paska ho an’i Jehovah ihany izy. 11 Ny andro faha-14 amin’ny volana faharoa,+ amin’ny takariva,* no tokony hikarakarany an’ilay izy. Tokony hohaniny miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay sy ny anana mangidy izy io.+
-